Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Repoblika Malagasy

 

MPANOHANA OFISIALY

 

Rubis mécénat cultural fund

Mpanohana ara-bola ny Trano Heva Madagasikara any amin’ny Biennale di Venezia 2019

ao anatin’ilay tetikasa ara-tsosialy sy ara-kolotsaina ao Madagasikara  “Ndao Hanavao “

 

Rubis Mécénat dia manohana an’i Joël Andrianomearisoa amin’ny Trano Heva Madagasikara any amin’ny Biennale di Venezia 2019.

Izany fanohanana izany dia mifandray amin’ilay tetikasa ara-tsosialy sy ara- kolotsaina izay natomboky ny Rubis Mécénat tao Antananarivo, Madagasikara ny taona 2018: Ndao hanavao (Allons Innover).

 

Sehatra iray hifanakalozana zava-baovao manodidina ireo fahaiza-manao amin’ny tontolon’ny famoronana izay naorinan’ireo mpamorona bika sy endrika vahiny, ireo tanora malagasy manaraka ny lalam-piofanana matihanina, miaraka amin’ireo mpanao asa-tanana sy ireo injeniera ary ireo mpandray anjara avy ao an-toerana, Ndao Hanavao dia mikatsaka ireo vahaolana azo antoka sy maharitra amin’ny alalan’ny famoronana ireo zavatra misy endrika amam-bika, mitady vahaolana manoloana ireo olana ara-piaraha-monina izay atrehin’ny mponina malagasy.  Tamin’ny andiany vohaloany, Ndao Hanavao dia niantso an’i “Polyfloss Factory”, nisolon’ireo mpamorona bika sy endrika frantsay tena Christophe Machet sy Emile de Visscher, mba hitondra ireo fitaovana “Polyfloss”, fomba vaovao fanodinana plastika ao Antananarivo Madagasikara.

 

Rubis Mécénat izay ratsa-mangaika ny  vondrona Rubis dia niforona tamin’ny 2011. Manana anjara asa hampiroborobo ny fampandrosoana ara-java-kanto ao Frantsa sy manerantany any amin’ireo firenena izay misy ny vondrona.

 

Hatramin’ny 2012, Rubis Mécénat dia mampivelatra ireo tetikasa ara-piaraha-monina sy ara-java-kanto maharitra eo anivon’ireo firenena misy ny vondrona Rubis hahafahana mampita amin’ireo tanora marefo manana olana,  ireo fahafehezana ara-java-kanto sy ireo fahafehezana miaina amin’ny alalan’ny fanaovana ireo kanto ho an’ny maso.

Mifanindra-dalana amin’izany, Rubis Mécénat dia manohana ny famoronana ara-java-kanto amin’ny fanohanana ireo mpanakanto, ao Frantsa sy any am-pita, amin’ny alalan’ny fanjifana ny asa-pamoronan’izy ireo mba ho hampirantiana amin’ny toerana manokana sy anivon’ireo toeram-pamokaran’ny vondrona. 

 

Chloé Villefayot - L’art en plus - Serasera sy fifandraisana Rubis Mécénat - c.villefayot@lartenplus.com +33 1 45 53 62 74

Groupe Filatex

Ny Groupe Filatex dia mirehareha amin’ny fanohanana ilay mpanakanto malagasy Joël Andrianomearisoa izay misolo tena an’i Madagasikara any amin’ny andiany faha 58 ny La Biennale di Venezia 2019.

Izany fanohanana izany dia tafiditra ao anatin’ny fijoroan’ny Groupe Filatex hanohana sy hampivelatra ny zava-kanto malagasy maneran-tany, fa ihany koa ny fanomezana lanja ny zava-kanto ao Madagasikara amin’ny endriny rehetra.

 

Ity fandraisana anjaran’ i Madagasikara voalohany manan-tantara  amin’ny Biennale di Venezia ity dia maneho ny angovo ara-java-kanto marobe eo anivon’ny firenena ary mampivoitra ny fanavaozana eo amin’ny lafiny zava-kanto malagasy. Dingana lehibe ho an’ny Biennale di Venezia ihany koa izay sambany amin’ny fandraisana voalohany an’i Madagasikara, noho ny fahitany ny fahamatorana ara-java-kanto ao Madagasikara izay manana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

 

Orinasa mikatsaka ny tombontsoan’ny maro, tompon’andraikitra ary mijoro eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana maharitra ao Madagasikara nandritry ny 40 taona, ny Groupe Filatex dia manolo tena hiaro ny zava-kanto ao Madagasikara entiny maneho fa lahara-pahamehana ny fanehoana ara-java-kanto ary fomba entina hanehoana ny maha izy azy izay tena nihen-danja tokoa nandritry ny folo taona lasa izao.

 

Tafiditra ao anatin’ny fikasana hitondra ny anjara biriky amin’ny famerenana ny maha izy azy ny zava-kanto malagasy ao Madagasikara sy maneran-tany, ny fanohanana ny trano heva Madagasikara any Venise dia tsy azo hodian-tsy hita fa indrindra dingana tsy azo hiodivirana hamerenana araka izany ny mampiavaka sy ny maha samihafa ny zava-kanto malagasy manoloana ny fijerin’izao tontolo izao.

 

Araka izany, dingana iray mialoha ireo hetsika maro izay samy manan-danja sy manana ny  fiantraikany entin’ny Tale Jeneraly, Hasnaine Yavarhoussen, sy ny Groupe Filatex manontolo hamerenana ny lanjan’ny zava-kanto malagasy, izay  voasoritra mandritry ny fotoana maharitra.

 

Romy Voos Andrianarisoa - romy.voos-andrianarisoa@groupe-filatex.com

 

Fonds de dotation Thibault Poutrel

Ny Fonds de dotation Thibault Poutrel dia faly manamafy ny fifandraisany akaiky amin’I Joël Andrianomearisoa, mpanakanto amin’ny fanohanana azy amin’ny fandraisany anjara amin’ny Biennale di Venezia hisolony tena an’ i Madagasikara.

 

Manaraka ny asa ataony tamin’ny alalan’ny angona Thibault Poutrel nandritry ny taona maro izahay. Ny fitambaran’ny asa ataon’ i Joël Andrianomearisoa dia maro ary tsy mitsaha-mivoatra nefa mitahiry hatrany ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy amin’ny lafiny ara-javakanto.

 

Reharehanay tokoa ny manohana ity tetikasa ity izay andraisan’ny Trano Heva Madagasikara anjara voalohany any amin’ny Biennale di Venezia. Izany fandraisana anjara manan-tantara izany dia mametraka an’i Madagasikara eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny lafiny ara-javakanto ankehitriny.

 

Filoha mpanorina

Thibault Poutrel

 

Mehdi Dakhli - contact@tpca.london

MPANOHANA, ANGONA, GALERIES ARY FIKAMBANANA

 

Sy ny fanohanan’ny

Ramatoa Nathalie Aureglia

Fondation Zinsou

Musée Les Abattoirs - Frac Occitanie Toulouse

Fondation H

Galerie Sabrina Amrani, galerie Primo Marella galerie sy galerie RX

Air Madagascar

AXIAN

VIMA Vision Madagascar

La Chocolaterie Robert

muse the Cultural Gallery

Pavilion Bosio ESAP Monaco

Edouard Sebline, Art Spec / Art Insurance Broker

Pixel Farm

MADAGASCAR PAVILION FRIENDS

 

Sy ny tohan'ireo namana Madagascar Pavilion Friends

 

Nathalie Rosticher, Frédéric de Goldschmidt, Rita Rovelli Caltagirone, Famille Taloumis,

Anne et Karim Barday, Galila Barzilai-Hollander, Valérie Bach, Céline Melon,

Nathalie Guiot, Katia sy Radigues, Virginie Puertolas-Syn, Caroline Smulders, Jean Philippe Vernes 

Alejandro Lazaro Collado, Brigitte Razaka sy Michele Franchi, Maureen Ayité, Aude de Vaucresson

Mathieu Paris sy Razid Kalfane, Annick et Thierry Rajaona, Susanne sy Lawrence van HagenSerge Thiry, 

Yasemin Baydar sy Birol Demir, Pascale Martine Tayou, Christian Sanna, Isabelle Bourne.