HETSIKA MANAN-TANTARA HO AN'I MADAGASIKARA

 

Handray anjara voalohany amin’ny andiany faha 58 amin’ny « Exposition internationale de La Biennale di Venezia » i Madagasikara amin’ny fananany  trano heva manokana. Firenena tandrefana maro no efa mpandray anjara amin’izany hetsika izany efa ho taonjato mahery izao. Vao folo taona monja kosa no nanomboka nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo Afrikana tahaka an’ i Afrika Atsimo na i Côte d’Ivoire.

 

Voafidy hisolo tena ny fireneny i Joël Andrianomearisoa hotronin’ireo mpiandraikitra amin’ny lafiny fampirantiana Andriamatoa isany Rina Ralay Ranaivo sy Emmanuel Daydé noho ny famoronany sy ny fahamatoran’ny asany, ny fahafantarana azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary ireo fanohanana tsy misy fepetra izay azony eo amin’ny sehatry ny asa ataony.

 

Ity fandraisana anjara voalohan’i Madagasikara amin’ny « La Biennale di Venezia » ity dia hetsika manan-tantara ho an’i Madagasikara. Endriky ny tanjak’i Madagasikara sy ny toerany eo anivon’izao tontolo izao ankehitriny. Maneho ihany koa ny lafy tsaran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra anatiny sy iraisam-pirenena na dia eo aza ireo endrika ratsy mety mampalaza an’i Madagasikara. Fanehoana ihany koa ny fanantenana sy ny fahavononana ary endrika  hampidirana ireo herim-pamoronana malagasy eo anivon’izao tontolo izao.

 

Ny trano heva Madagasikara, tetikasan’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana ny Asatanana ary ny Fiarovana ny Vakoka ny Repoblika Malagasy dia miankina manontolo amin’ireo fanohanana ara-bola avy amin’ireo olon-tsotra malagasy sy vahiny.

I HAVE FORGOTTEN THE NIGHT

 

« Ary izahay dia manana alina tsara lavitra noho ireo andro ananareo » Jean Racine

 

Ny fanehoany ara-pitaovana ny diany « nadika tamin’ny alina » amin’ny alalan’ireo taratasy  rovitry ny fitiavana sy ny fahatesana, Joël Andrianomearisoa dia maneho ny tontolon’ny tsy azo tsapain- tanana sy tsy hita maso, amin’ny fampitsimbadihana ny tontolo any an-kafa, rehefa injay ny masoandro mitatao vovonana manadino ny tenany ao anatin’ny hamangan’ny alina, rehefa tsy avelan’ny haizina ho teraka intsony ny andro. Raiki-pitia « ny tany samy hafa izay misy saham-boakanzo mifanohitra miisa telo : Ilay Eoropa hatsiaka, Ilay Inde izay manana lanitra mavokely sy manga ary ilay Afrika, aingam-panahy mangarahara sy lalina » (Rabearivelo), Andrianomearisoa dia tsy mitsahatra ny manambatra ireo  tendro mifanohitra izay manorina azy ireo kisary miendrika kanto tsy azo tsapain-tanana ary mirakitra  fangorakorahana, voarary amin’ireo akora voajanahary voatelin’ny aloka sy ny hazavana.

 

Zanak’ireo alin’ « Iarivo ilay nodimandry » (Antananarivo) tahaka ny año de amor eny amin’ireo lalan’i Madrid, mpitsangatsangana, manonofy irery miainga amin’ ireo toera-pisotroana sy toeram-pisakafoanana ao Parisy hatrany amin’ireo sisin-torimason’i Bosphore, na eny amin’ny vodilanitra tsy manam-pahataperan’i Cotonou, ity mpanakanto izay tsy voafehin’ny sisin-tany ity dia manome fanembonana tsy misy fiafarana ny fanarahan’ny efajoro vao amin’ny fanehoana ny fihetseham-po amin’ny alalan’ny akora. Voatendry hiantsoroka ny fananganana ny trano heva Madagasikara voalohany any amin’ny Biennale d’art 2019 ny Biennale di Venezia, Joël Andrianomearisoa dia maneho fanajana tsy ho an’ny firenena iray fa ho an’ny faratampon’ny « outre-noir » sy ireo fivezivezeny mifono alahelo izay mivalombalona, mifanapaka, velon-kira sy fihomehezana rehefa injay tonga ny tsiaro. « Ny rafitry ny zoro dia teboka tsy azo hiodivirana mba hampitafiana ny ankehitriny » araka ny fanamafisany.

 

Rehefa lasa eritreritra amin’ny taniny izay lavitra, ity mpanakanto ity dia mandrafitra ny rovan’Ilafy, fonenana voalohany nitoeran’ny mpanjaka izay miorina eo amin’ny tendrombohitra masin’Imerina faha roa amby folo, amin’ny fanasarahana ireo hazo mavesatra vita amin’ny voamboana mainty, mba hanambatra azy indray hoy toy ny lanitra voarindra miisa sivy, izay mikoriana tahaka ny rian-drano tsy azo-pahazavana vita amin’ireo kitapo, ireo tady ary ireo lavenona. Avy amin’ny fahatsiarovana izay tsy tadidy momban’ny fonenan’ny mpanjaka no mipoitra tampoka ny fasana ho an’ny miaramila dimy etsy tany Ecbatane, ny zohy fanehoana ny hevitr’i Platon, ireo fihetseham-po mahavery, ny fiakarana an-tsehatr’ireo vetsovetso-po maro. Ireo antsy mandavaka mianjera avy any an-danitra miendrika onjana molaly, sy orana mikija mandrakotra ireo zavon’ilay Creuse mivolom-batolalaka sy fotsy miala aina na ihany koa ireo rindrina voamarika sy voalavak’ireo ranomason’ny farihin ‘ireo mpifankatian’i Tritriva. Izay mamerina ny any an-koatra ho amin’ny tontolo misy antsika.

 

Emmanuel Daydé sy Rina Ralay Ranaivo. 

 

 

 

Ny trano heva Madagasikara dia ao amin’ny Arsenale Artiglierie anisan’ireo trano heva nasionaly voalohany manaraka ny fampirantiana iraisam-pirenena.